Hoentina any Antsirabe ny Mampangidihidy « Z ». Teatra poetika nosoratan’i Avelo Nidor, anisan’ny maro mpankafy izy ity ka izay no nahatonga ny Faribolana Sandratra Betafo hikarakara ny hetsika. Ao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra no hanatanterahina izany ny sabotsy 23 novambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mbola tsy […]
Mois : novembre 2024
Filamatra Matokia : «Faly aho niaro ny voninahitr’i Madagasikara»
Namirapiratra teo amin’ny iraisam-pirenena indray ny zavakanto malagasy. Rariny raha toa ka fitsenana manetriketrika no natao an’i Filamatra Matokia, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Tonga maro ireo mpitsena, izay efa mpankafy sahady an’i Filamatra Matokia. « Falibe aho fa afaka niaro ny voninahitr’i Madagasikara, ka nitondra ny amboara nody. Sarotsarotra tamin’ny […]
Opération Bokiko : tanjona ny hampahafantatra ireo tranomboky
Toerana ahitana fahalalana sy fahaizana maro samihafa ireny tranomboky ireny. Somary very anefa ny maha izy azy ireny ankehitriny. Izany indrindra no tanjon’ny hetsika “Salon du livre en milieu rural”. Tanterahina any amin’ny Kaominina Andriampamaky, ny 22 novambra 2024, ny hetsika “Salon du livre en milieu rural”. « Ny tranomboky sy […]
Fotoam-piotazana letisia 2024-2025 : nihena ho 28 ny mpanondrana vokatra tamin’ity taona ity
Efa ao anatin’ny fotoam-piotazana letisia ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Somary nahitana fihenana ny vokatra miakatra sy ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity. Lasa aloha loatra kosa ny fahamasahan’ny vokatra eny an-tsaha. Nosokafana ny 12 novambra tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo, ny taom-piotazana ny letisia eto amin’ny Nosy. […]
FANTINA sy FINTINA
Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Mpiasam-panjakana vaovao 6 000 mahery no hampidirina amin’ny taona 2025, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena. Anisan’ny ahitana […]




