Mois : novembre 2024

Fampielezan-kevitra : mampiakatra ny fandikan-dalàna ny Ceni

Manomboka anio ny fo­toan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izay hatao amin’ny 11 desambra. Efa nisy ny kandidà nilaza sahady ny fisian’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Manoloana izany, manentana izay nahita sy nandre ny fandikan-dalàna ny Ceni mba hanao fitarainana eny amin’izy ireo. Voakasik’izany koa izay mety […]

Raha mba madio filalao

  Misy zavatra miseho tsy azon’ny saina eritreretina mihitsy eto amin’ity Madagasikara ity. Tena mahavariana fa ny natao hanirina no mainka mampivandravandra. Ny natao hiaro ny vahoaka sy ny marefo no mivadika manao tsindry hazolena. Tsy tahotra sy henatra fa na mpiasam-bahoaka aza no anarany, mivadika ho mpandray baikon’ny fianakavian’ny […]

Antoko Asa vita ifampitsarana (Avi) : hampandany an’i Harilala Ramanantsoa

Manao ranolava ny fanohanana ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana na ny Irmar. Hanohana ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nanao fanambarana ny amin’ny fahavononany hampandany ny kandidà laharana fahafito mirotsaka ho ben’ny Tanànan’Antana­narivo, Harilala Ramanantsoa, ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nandritra ny fitokanana ny foibe toeran’ny […]

Nisy diana antsy : lehilahy hita faty

Ahina ho novonoina, lehilahy hita faty tao anaty rano tao Mangavato, fokontany Ambohitrakely, kaominina Mahatsinjo Atsimo, ny 16 novambra teo. Natsingevan’ny rano, hitan’ny iray amin’ny mponina ao an-toerana io fatin’olona io. Nampandre ny zandarimaria avy hatrany ny ben’ny Tanàna. Nakarina an-tanety ilay vatana mangatsiaka ka voamarina fa notriarina tamin’ny zava-maranitra, […]

Mamon-drongony : maty novelesin’ilay tovolahy ny hazo ny rainy

Zanaka indray ity no mahafoy ray aman-dreny! Nampihoron-koditra ny fihetsika feno habibiana nataon’ny tovolahy iray tao amin’ny fokontany Basindrano, teo amin’ny sampanana Ambodi­saina, ny sabotsy teo. Maty novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana ny rainy, mpiasan’ny seranan-tsambo misotro ronono 72 taona, niteraka azy. Potika tanteraka ny lohany ka tsy nisy namantarana […]