Mbola misedra olana manoloana ny hakelin’ny karama sy ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika ny mpiasa malagasy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny ny hijerena sy hamahana izany olana izany, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Marary ny tontolon’ny […]
Mois : novembre 2024
FANTINA sy FINTINA
Mpiandraikitra sora-piankohonana miisa 26 avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra no nahazo fiofanana mahakasika ny fikirakirana ny sora-piankohonana. Tao anatin’izany no nanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka izany. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso hatramin’ny 9 desambra 2024, ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. […]
HCDDED : “Manentana ny olona hifidy sy hahay hifidy”
“Anisan’ny fanehoana tsara indrindra ny demokrasia ny fifidianana. Misy fifidianana ho avy io izao. Raisin’ny HCDDED ho andraikitra ny manentana ny vahoaka malagasy tsivakivolo handray anjara mavitrika amin’izany fifidianana izany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo, tamin’ny atrikasa fampahafantarana ny […]
Fampielezan-kevitra
Fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Tena izay tokoa ve no hatao, haely, handresen-dahatra… ? Tanàna tsy ilaozan’adala. Na tsy tan-dalàna, tsy manaja tena sy tsy manaja ny hafa… Mandeha amin’izany ny fampielezam-bola fa tsy hevitra, fanaratsiana ny hafa, fanakiviana… Misy mihevitra fa ny fanaratsiana ny hafa no mahatsara ny tena. Tsy […]
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy mihatsara ny fari-piainan’ny Malagasy”
Notokanana, ny faran’ny herinandro teo, ny lalana Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina. Nampanantena ny hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy ny filoha nandritra izany. “Fantatro fa sahirana ny vahoaka malagasy. Miteny anareo aho: tsy ny hoe filoha akory no mahamaika ahy na ny “titre”, fa hanao ny ezaka rehetra… Ary tsy maintsy mihatsara […]




