Naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny jiolahy ny vehivavy iray handeha hivavaka vao maraina teny Tanjombato, omaly. Lasan’ireo jiolahy ny finday niaraka tamin’ny vola saika hatao rakitra. Nitondra antsy ireo olon-dratsy ka voatsatok’antsy teo amin’ny tanan’ilay niharam-boina. Lasan’ny jiolahy ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teo Anosy, omaly tolakandro. Nandeha […]
Mois : novembre 2024
Feno habibiana : vehivavy hita faty nihosin-dra novonoim-badiny
Nampihoron-koditra! Maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray tao Ambatoharanana, fokontany Tsaratanana, kaominina ambanivohitr’Andrakata, distrikan’Andapa, ny 15 novambra 2024. Nahazo antso avy amin’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Andrakatra, ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao an-tranony ao amin’io tanàna io. Nidina haingana teny an-toerana nahitana ny […]
Iray volana nokarohina : tratra ilay polisy namono ny sakaizany
Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana lalina eny anivon’ny sampandraharaha ny polisy misahana ny heloka bevava, ny zoma 15 novambra teo. Namono nahafaty ny sakaizany tamin’ ny alalan’ny tsatok’antsy tao Toliara ny polisy iray mpiana-draharaha, ny 15 oktobra lasa teo. Nandritra ny fifamaliana teo aminy sy ny sakaizany, nidiny ny trano […]
Nidoboka am-ponja eny Antanimora : tratra ireo mpanondrana olona mankany Chine
Ravan’ny zandary ny tambajotra mpandefa olona antsokosoko mankany Chine. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo voasaringotra. Efatra mianadahy voasaringotra amin’ny raharaha fanondranan’olona mihazo an’i Sina niara-voatana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny zoma 15 novambra teo. Naharay hafatra miafina avy tamina olona any Sina nilaza ny fisiana tambajotra matanjaka mivarotr’ olona an-kolaka […]




