Mois : novembre 2024

TARATRY ny KANTO

“Ndao!”, iarahana amin’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex. Anio ilay fotoana nomen’ireto mpanakanto ireto, iarahany an-tsehatra etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho mirindra no tanjona, satria hanaraka lohahevitra ireo hira alahatra, ka araka izay koa ny fiakarana an-tsehatra ifandimbiasana na iarahan’izy mirahalahy. Samy eny an-tsehatra […]

Famaranana ny « Festisôva » : hiaka-dapa ireo mpanao vakisaova

Fotoan-dehibe ho an’ny vakisaova, anio. Hiakatra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo tarika maro mpiangaly izany, mandritra ny tontolo andro. Hetsika famaranana ny andiany fahafito amin’ny «Festisôva », izay karakarain’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina, na Tambohobe izany. Tarika maro avy amin’ireo fokontany eto Antananarivo sy ny manodidina […]

Canada : tafajoro ny sampana Havàtsa-Upem

« Am-pifaliana no ilazana aminareo fa tafajoro soa aman-tsara androany 13 novambra 2024 ny Sampana Havàtsa-Upem Canada », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy. Araka ny tatitra nataony hatrany, voafidy ho filohan’ity sampana faha-12 eo anivon’ny Havàtsa-Upem ity i Lila Ratsifan­dri­hamanana. I Bary Randresy no sekretera jeneraly. […]

“The Black Harvest Film Festival” : nisongadina ny horonantsarin’ i Luck Razanajaona

Mivelatra ary mambabo ny mpahay sy mpankafy horonantsary hatrany ny “Disco Afrika: une Histoire Malagasy” amin’ ireo toerana lalovany. Ankoatra ny lafiny teknika, anisan’ny mambabo ny mpijery ny vontoatin’ny horonantsary. Norombahin’i Luck Raza­najaona ny « Honorable mention Prize » nandritra ny “The Black Harvest Film Festival” tanterahina any Chicago, Etazonia. Nanom­boka ny […]

FANTINA sy FINTINA

Napetraka ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ny asa rehetra natao, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tao amin’ ny “Facebook”. Nambarany fa betsaka ny efa vita. “Maro koa ireo mbola tokony ho notohizan’ny mpandimby saingy ambony lavitra noho ny tombontsoan’ny vahoaka ny hambom-po politikan’ny mpitondra ka izao ny […]