Se ressourcer avec la nature, respirer l’air marin suivre le fleuve. C’est la magnificience de l’évasion à Manakara
Mois : novembre 2024
Fitantanana mangarahara : manampy amin’ny fanangonana antontanisa ny AMP
Andry iankinan’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara ny fampiasam-bola ny fampiasana ny Aid Managment Platform (AMP). Fitaovana iray ahafahana manangona ireo antontanisa mahakasika ny fanampiana rehetra ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny fanjakana na «Aide publique au développement» (APD). Tanjona ny hisian’ny mangarahara amin’ny fampidirana ireo antontanisa eo anivon’ny minisitera sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Apetraka eny Ambatomirahavavy, Ampangabe ary Ambohidrano ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Manana tanjaka 50 MW ny fotodrafitrasa izay natao hanampiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny 20 MW. Hotsinjaraina 5 MW avy ireo renivohi-paritany sy ao Nosy Be. Efa andalam-pitaterana ireo fitaovana hananganana ireo fotodrafitrasa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. […]
Tetikasa Itovia : tohana ho an’ny vehivavy
Tontosa ny alarobia teo, teny Antaninarenina, ny fifanoavan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Agence française de développement (AFD) ao anatin’ny tetikasa «Itovia». Tanjona ny hampirisihina ny fandraharahan’ny vehivavy sy fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina 1,52 tapitrisa euros ny famatsiam-bola ampiasan’ny tetikasa hanohanana […]
Fihaonamben’ny CEO Summit : hametraka paikadim-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana
Faritana mandritra ny fihaonamben’ny CEO Summit ireo vina ho an’ny fampandrosoana toekarena lovainjafy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hojerena manokana ny faritra malalaka ho an’ny fifanakalozana. Hifandinika sy hifanakalo hevitra ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ireo mpandraharaha samihafa sy mpanapa-kevitra ary tompona […]




