Tomponandraiki-panjakana miisa 44, avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, no nomena fiofanana mahakasika ny fampahafantarana ny famarinana olombelona. Nampahafantarina azy ireo, nandritra izany, ireo karazana endrika famarinana olombelona misy eto Madagasikara. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny BNLTEH amin’ny fanentanana. Bheki no anarana hoentin’ilay rivodoza miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, rehefa […]
Mois : novembre 2024
Farafangana : olona 3 025 traboina vokatry ny haintrano
Nitrangana haintrano nampivarahontsana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’ Ivandrika, distrikan’i Farafangana, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Trano 605 tafo no hotohoton’ny afo tanteraka tsy nisy noraisina. Olona 3 025 no traboina tsy manan-kialofana. Hatramin’ireo taratasy saro-pady momba ny fiainana sy ny fitaovan’ny mpianatra dia tsy nisy azo navotana, vokatry ny fiitaran’ny afo […]
Famatsiana fanafody : nahavita sidina 6 000 ireo drône miasa
Hatramin’ny taona 2019, nahavita sidina maherin’ny 6 000, nandrakotra 550 000 km ireo drône mpanatitra fanafody any ambanivohitra sy any amin’ireo toerana saro-dalana. Nahafahana nitondra kojakoja ara-pahasalamana fototra milanja 10,100 kg manerana ny distrika 21 sy faritra 5 izany. Ireo fitaterana natao ireo dia nahafahana nanome vaksiny ho an’ny zaza sy […]
Oniversiten’Antananarivo: 60 taona ny sampam-piofanana momba ny toekarena
Namoaka manampahaizana maro sy tomponandraikitra ambony misahana ny raharaham-panjakana ny sampam-piofanana tao anatin’ny taona maro momba ny toekarena ny eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, izay feno 60 taona ankehitriny. Manamarika ny faha-60 taona niorenany ny sampam-pianarana momba ny toekarena ao amin’ ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina, anio, ny “Tsangantsaigny” any Ambatoharanana, Ambilobe. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-pomba anisan’ny lehibe indrindra any an-toerana izy ity. Efa nafindra avy any Antsaravibe nihazo an’Ampisikina ny “hazomanjaka”, omaly. Efa vory lanona any an-toerana ihany koa ireo zanak’Ankarabe rehetra hanatontosa ity fotoan-dehibe ity. Manentana ny Malagasy rehetra hanohana an’i Filamatra Matokia. […]




