Mila mandray an-tanana ny hoavin’ny firenena isika raha tiana ny hialana amin’izao fahantrana sy rafi-panjanahana amin’ny endriny vaovao izao, araka ny nambaran’ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko (ARFM), omaly. “Tokony hifandinika ny vahaolana hitondrana ny firenena isika”, hoy izy ireo. Mitaky ny hampitsaharana ny fivoizana fa misy kandidàm-panjakana ny […]
Mois : novembre 2024
Fananan-tany: hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ny MFFT
Niarahana tamin’ny Transparency International-Initiative Madagascar-TI-MG ny hetsika. Notsiahivina ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’ny kolikoly eo amin’ ny sehatry ny fananan-tany ka hohamafisina hatrany izany. Nifampidinihana koa ny tokony hijerena akaiky ireo voka-dratsy aterak’izany kolikoly izany eo amin’ny sehatry ny fananan-tany. Narahana adihevitra sy tolo-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara. […]
Lelon-jaza
Tranga nanaitra ny mpanara-baovao, omaly, ny fanendrena olona tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nisy ny olona nesorina ary efa naranty ny mpandimby azy. Tampoka, noho ny maraina, nofafana tao anatin’ny tatitra indray. Mijanona amin’ny toerana ilay efa nodakana am-bavafo. Ankoatra izay, misy ny tale napetraka vao ny 14 septambra dia […]
Rajoelina Andry: “Izay toky nomena tsy maintsy tanterahina…”
Hitondra vokatsoa amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fahavitan’ny lalambe migodana. Hahazo tombony voalohany amin’izany ny lafiny toekarena noho ny fahamoran’ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana. Tontosa, omaly, ny fitsidihana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Teny amin’ ny fiandohan’ny tetikasa Ambodifasina, kaominina […]
Maevatanana : tratra ireo jiolahy namono olona
Naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna, ny 12 novambra 2024 teo, ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao an-toerana. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna ny alin’ny sabotsy 9 novambra 2024 noho ny raharaha famonoana olona niniana natao ry zalahy ireto. Nahitana fatin’olona iray […]




