Mois : novembre 2024

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niely manerana ny tambajotran-tserasera, omaly, fantatra fa efa mpilalao ofisialin’ ny Paris FC France, diviziona faharoa, i El Hadari, lohalaharan’ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina moa fa mpilalao niainga tao amin’ny Ajesaia izy ary ny klioban’ny St Michel United Seychelles no nilalaovany farany. Efa miomana […]

Échecs-Maneran-tany: hisolo tena i Tsinjoviniavo Aina

Tanterahina any Montesilvano Italie, nanomboka omaly hatramin’ny 27 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja échecs, sokajy Cadet. Tsy diso anjara amin’izany ny eto an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra no hisolo tena ny Malagasy mandritra ity fifaninanana ity, izay efa nihazo an’i Italie. Mpilalao échecs anisan’ny zandriny […]

Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena: Volabe amina miliara voahodinkodina

Volabe amina miliara no voalaza fa nisy nanodinkodina tao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. “Hampanao fanadihadiana ny tomponandraikitra”, hoy ny minisitra. «Tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’ny tomponandraikitra nanodinkodim-bola izahay. Hampanao fanadihadiana izahay mba ho fiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, andaniny. Ho fanantanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fametrahana […]

Kolontsaina sy fialamboly: 50 000 hatramin’ny 40 000 000 Ariary ny fanamby amin’ny adin’akoho

Efa mahazo vahana eto Madagasikara ny sehatry ny fampiadiana akoholahy. Ahitana izany avokoa ny eny anivon’ny fokontany sy distrika ary kaominina maro samihafa. Anisan’ny fialamboly sy fitadiavam-bola ho an’ny ankamaroan’ny olona izany. Saika ahitana hetsika fampiadiana akoho foana eto Antananarivo isaky ny herinandro. Marobe ireo olona manatrika izany, lehilahy avokoa […]