Mois : novembre 2024

TARATRY ny KANTO

Nitsidika ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, ny solontena maharitry ny Unicef miasa eto amintsika, Christine Jaulmes. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fihaonana, tetsy amin’ny biraon’ny minisitra Nanisana, omaly. Anisan’ny nojerena manokana ny fanavaozana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Unicef sy ny […]

Bokin’ankizy: Hamoaka ny «Trimobe» sy «Ikalamara» ny Karné

Hisy zava-baovao roa hahaliana ny 30 novambra. Andro vitsivitsy lasa izay no nanao izay fanambarana izay ny édition Karné. Tonga ilay fotoana hampahafantarina, anio manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Ibis Anko­rondrano izany. Boky ho an’ny ankizy roa izy ireo: “Il faut vaincre Trimobe” ny voalohany, izay nosoratan’i Andrea Razafi. […]

Mara Volamiranty Donna :: “Fitaovana ampitana hafatra ny MSK”

Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tetsy Nanisana ny masoivohon’i Chine miasa eto Madagasikara, i Ji Ping, afakomaly. Betsaka ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy izy ireo, amin’ny sehatra maro samihafa. «Anisan’ny fitaovana voalohany indrindra ampitana ireo hafatra fototra ahafahana manantanteraka ny laharam-pahamehana ataon’ny fitondram-panjakana sy ny masoivohon’ny […]

Slam malagasy : Hanomboka hivelatra amin’ ny teny anglisy

Mitaiza sy manabe ny “Slam poèsie” amin’ny maha zavakanto azy. Misy, araka izany, ny fivelarana amin’ny teny anglisy mba hahafahan’ny mpiangaly azy mivelatra sy manaraka ny zava-misy ankehitriny. Miditra amin’ny andiany faha-15 ny “Slam na­tio­nal” amin’ity taona ity. Ankoatra ny fahatongavan’ i Marc Kenny Smith. Anisan’ny hampiavaka ity andiany ity […]

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 3 000 ny tokantrano hisitrika angovo « biométhane » any Antsirabe. Angovo biolojika vokarin’ny orinasa Madagaz, mahatratra 3 200 Mw isan’ora, ampiasana akora 6 000 taonina isan-taona. Herinaratra avy amin’ny akora voajanahary, toy ny fako, havadika entona fandrehitra, ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo. Mitantana ny orinasa i Minoarisoa Faratiana, manampahaizana manokana amin’ny Biogaz. Nofanina hahafehy ny […]