Mois : novembre 2024

Fiaraha-miasa Sinoa – Madagasikara : famokarana holatra aondrana any ivelany

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, omaly, ny delegasiona avy amin’ny « Conference consultative politique du peuple chinois » (CCPPC). Notarihin’ny masoivohon’i Sina eto Mada­gasikara, Ji Ping izany, nen­tina nanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nambaran’ny masoivoho sinoa, fa « mitady […]

Arabe migodana : hivoaka amin’ny marsa 2025 ny soritry ny lalana faharoa

Mandeha ny asa fanamboarana ny ampahany voalohany ny arabe migodana Antananarivo-Toamasina. Vita ihany koa ny 30% ny arabe « voie rapide », any Toamasina. Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ ny arabe migodana miainga eto Antananarivo hatrany Anjozorobe. Noma­ri­hin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, tany Toamasina, omaly, fa […]

Lycée Privé Fitsimbinana sy IFE: Mankalaza ny jobily faha-60 sy faha-25 taona

Maro ny sedra nolalovana. Tsy vitsy ny dingana vita. Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny Lycée privé Fitsim­binana eny Behenjy Itaosy, ao anatin’ny Cisco Atsimondrano. Ho fanamarihana izany dia mikarakara hetsika goavana ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 6 desambra 2024 izao, amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ao […]

CCOC : “Tsy ampy ny tetibola ho an’ny sehatra sosialy”

Nitondra ny fijeriny ny firaisamonina sivily CCOC momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsy ampy ny tetibola ho an’ny sehatra sosialy, araka ny nambarany. “Tsy ampy ny vola atokana ho an’ny sehatra sosialy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny firaisamonina sivily CCOC, Radert Hony, tamin’ny mpanao gazety, teny Ambatonakanga, omaly, ny amin’ny famakafakan-dry zareo ny […]