Mois : novembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Niverina nihazo an’i Paris, omaly, ilay fiaramadina AF 934 an’ny kaompania Air France, raha tokony ho nigadona teto Antananarivo tamin’ny alina. Mbola tsy fantatra ny anton’ny zava-misy saingy andrasana ny vaovao mahakasika izany. Tsiahivina fa niainga tao amin’ny seranam-piaramanidinna Charles de Gaulle, omaly tamin’ny 11ora latsaka fahefany, ora any Paris, […]

Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana

Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ». Manankery […]

Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana

Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Anala­manga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]

Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: hiara-hiasa ny EDBM sy ny CEO Summit

Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara. Tanterahina eto Antana­na­rivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antam­pony CEO Summit. Manodidina […]

INDRAY MIJERY

Mampanahy ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ao Antsirabe. Amin’ny olona 92 nanao fitiliana ny volana septambra lasa teo, efatra no mitondra ny tsimokaretina. Ireo olona eo anelanelan’ny 20 taona-35 taona no tena voakasika. “Teo aloha, olona tokana ihany tao anatin’ny efa-bolana no voatily fa mitondra ny tsimokaretina”, hoy […]