Niatrika ny fivoriana maneran-tany mahakasika ny fanabeazana, taona 2024, izay natao tany Fortaleza Brésil, nanomboka ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny zoma 1 novambra lasa teo, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy, ny Dr Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanokatra ny fivoriana ny filoham-pirenena breziliana. Nandray anjara koa ireo minisitry ny Fanabeazana rehetra maneran-tany, […]
Mois : novembre 2024
Handraisana ny traboina : nanomboka ny asa fanorenana trano
Tontosa ny sabotsy teo ny fametrahana vato fototra hanorenana ny trano lehibe “Abri communautaire à usage multiple” (ACUM), any amin’ny fokontany Ambokala Manakara. Fotodrafitrasa natokana handraisana ireo traboina vokatry ny loza voajanahary toy ny rivodoza, ny tondradrano sy ny maro hafa mety hahazo azy ireo izy ity. Hahazaka olona 1000 […]
Diaben’ny fahasalamana: hampianarina hikolo fahasalamana ny vahoaka
Nanainga afakomaly ny diaben’ny fahasalamana faradoboka. Hitety distrika dimy amin’ny lalam-pirenena fahafito hatrany Toliara hitondra tolotra fitsaboana, fitiliana ary fikarakarana maimaimpoana izy ireo. “Natokana ho an’ny vahoaka sahirana tsy manana fahafahana hitsabo tena na hanao fitarafana noho ny sarany lafo ireo tolotra marobe entin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fiarabe maromaro, […]
Futsal-Mada 2024: nanao pao-droa ny Uscafoot,ekipan’ny CUA
Nifarana ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina kitra anaty efi-trano Futsal. Nanjaka tanteraka ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, na ny Uscafoot. Norombahan’izy ireo ny amboara sy ny lelavola 1 500 000 Ariary teo amin’ny sokajy U15 sy ny 2 tapitrisa Ariary […]
“Alley Hoop 3×3”: nanjakan’ny Ankoay ny fifaninanana
Nangotraka ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”, andiany faha-6, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana nokarakarain’ny RDJ ary niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Tsy mbola lefy laza ny ekipam-pirenena Ankoay tamin’ity fifaninanana ity satria nanjaka tanteraka izy ireo, teo amin’ny sokajy nifaninanany. Ho an’ny […]




