Nambaran’ i Faneva Ima, tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, fa efa any France, ilay Malagasy mpilalao, El Hadari. Tsy nety nilaza ny anaran’ilay klioba nefa ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray nefa, fantatra fa klioba iray ao amin’ny diviziona faharoa any France no mety haka an’i El Hadari, […]
Mois : novembre 2024
Rugby – «Top 12 Mada»: hiady lohany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faha-9, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12”, taranja rugby. Hisongadina amin’izany ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy Cosfa (Miaramila Bebaoty), hiady izay ho lohany. Mitarika eo amin’ny filaharana ry zareo Manjakaray (Dakar) raha eo amin’ny faharoa ny Cosfa. Hiendrika […]
Baolina kitra – GTA : ho fantatra anio izay hanao manasa-dalana
Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny lalao ampahefa-dalana “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo ireo ekipa 4 hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Ho toy ny famaranana avokoa ny fifanandrinana. Anisan’izany ny an’ny AS Fanalamanga sy ny Avenir Ste Anne ary ny an’ny CFFA […]
Bodybuilding-Maneran-tany : nanainga omaly alina ny delegasiona malagasy
Hatao ny 5 hatramin’ny 11 novambra izao, any Maldives, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Bodybulding. Omaly alina no nanainga ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana ity. Atleta 4 mianadahy, tarihin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Bodybuilding, i Georgi Vernier, no hisolo tena an’i Madagasikara any Maldives, mandritra ny fiadiana ny […]
Hisorohana ny homamiadana: Ilaina ny fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza
Nanao hetsika nitily maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza manerana ny distrika maro ny fitondram-panjakana sy ny mpiray ombon’antoka nandritra ny volana oktobra, izay volana natokana hiadiana amin’ireo karazana homamiadana mpiseho amin’ny vehivavy. Tao amin’ny CSB II Ambalavato, ho an’ny distrikan’Antsirabe, no nanatanterahina izany, tamin’ity herinandro ity. “Fitiliana […]




