Lasa fitaratra ho an’ny rehetra ny fikambanam-behivavy Miavotra, afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Ifantohany ny fambolen-kazo, ny fambolena ekolojika, sns. Mandray andraikitra ny vehivavy manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo mananaina sy ny fanatsarana ny fomba famokarana, indrindra ny fambolena, foto-piveloman’ny tontolo ambanivohitra. Singanina amin’izany, […]
Mois : novembre 2024
TARATRY ny KANTO
Nihazo an’i Mahajanga ny nofo mangatsiakan’i Rira. Niainga omaly, teto Antananarivo, ary notsenaina androany maraina, eny amin’ny sampanana Boanamary. Nifanentana ireo mpanakanto ao Mahajanga, hotronin’ireo mpankafy fa hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Rira hataon’izy ireo, anio. Tsiahivina fa ny sabotsy teo no nodimandry rehefa tsy nahatosika ny aretina nikiky azy i […]
Kolontsaina malagasy – ormada: hampahafantatra ireo kilalao malagasy
Hotanterahina ny alarobia 27 novambra tolakandro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny “Andron’ny kilalao malagasy”. Hetsika karakarain’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) ho an’ny Malagasy sy ireo liana amin’ izany, indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tanjona amin’izany ny fampiainana ny kolontsaina malagasy ho an’ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Kilalao malagasy […]
« Maman’i Amba » : Teatra manohitra ny herisetra amin’ny vehivavy
Tsy lany ketrika raha ny Compagnie Zolobe. Miala any indray ny « Maman’i Amba », tantara fisehatra mifototra amin’ ny lohahevitra, hanoherana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny manodidina izany. Misy angano malagasy iray izay hoe «Manambady voay». Nalaina avy amin’izay ny «Maman’i Amba», tantara fisehatra noketrehin’ny Compagnie Zolobe […]
Fahavaratra, ilana fitandremana : mahabetsaka ny fihotsahan’ny tany sy tondradrano
Efa manomboka miditra ao anatin’ ny vanim-potoan’ ny fahavaratra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana iray mahatonga fisehoan’ ny loza maro samihafa eto amin’ny Nosy izy io. Anisan’izany ny fihotsahan’ny tany, ny fahamaroan’ny tanàna dibo-drano vokatry ny firotsahan’ny orana. Tsy maintsy misy ny traboina eto amin’ny Nosy, indrindra rehefa […]




