Mois : novembre 2024

INDRAY MIJERY

Nampahafantarina, omaly, ny komity iraisan’ ireo minisitera hanarina ny valanjavaboahary Tsim­bazaza, izay ifandrimbonan’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Fanabeazam-pirenena, ny Fiza­hantany sy ny asa tanana, ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ary ny Serasera sy ny kolontsaina. Natomboka ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa […]

Tambajotra SDSR – VIH/Sida : Tokony hangarahara ny antontanisa

Nanomboka omaly ka hifarana anio, etsy Antanina­re­nina ny fikaonandoham-pirenen’ny tambajotra SDSR. Misy ny fihaonan’ireo mpikambana miisa 40 isaky ny volana novambra tahaka izao, isan-taona. Niompana tamin’ny fiaraha-mientana amin’ny ady atao amin’ny VIH/Sida ny lohahevitra amin’ity taona ity. “Manao ady sisika amin’ireo tomponandraikitra rehetra ny SDSR mba hangarahara ny antonanisa avoaka […]

LTP Mahajanga: hisy sampam-piofanana momba ny BTP

Nidina ifotony any amin’ny faritra Boeny ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro teo. Nitsidika ireo Lycée teknika sy ivontoeram-panofanana ao Mahajanga izy. Tao amin’ny LTP Mahajanga, nisy ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fampianarana teknika, ny AFD ary ny CNEF-BTP mahakasika ny […]

« Orange day » : nanomboka omaly ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra

Natomboka tamin’ny andro volomboasary na ny Orange Day ny 16 andro natokana iadiana amin’ny herisetra. Nitarika ny fotoana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Nomarihana, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny hira gasy Ampefiloha, ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Toy ny isan-taona, manamarika ny “orange day” ny eto […]

Fitantanana orinasa: Antoky ny fahombiazana ny fanavaozana

Fampandrosoana. Mian­toka ny fampiroboroboana ny orinasa ny fanavaozana ny fahaiza-mitantana. Nitondra ny anjara birikiny sy nizara ny traikefany momba izany, nandritra ny Andron’ny mpitan­tana olombelona (Journée des ressources humaines), ny faran’ny herinandro, tao Toa­masina, i Dr Fabrice Lollia. Nasongadiny manokana ny fahaiza-mitantana ny angovo sy ny fihetsehampo. Foto-kevitra sy toe-tsaina […]