Mois : novembre 2024

Namearison Robert : “Tsy mijery izay azo tanterahina amin’izay lazainy ny kandidà”

Tokony hisy fijery hafa ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Namearison Robert. ”Mamono tena tsikelikely ny antoko politika”, hoy izy. “Asa, na tsy hain’ny kandidà hoe: inona ny azon’ny kaominina atao? Indraindray toa te hamaha ny olan’ny fiarahamonina ny kandidà, nefa hadinony fa tsy ao anatin’ny […]

Nofonjaina eny Antanimora : Jiolahy tratra nilanja ilan’omby

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antani­mora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambo­hibao, […]

Bel’Air -Talatamaty : mpitaingina kalesa maty voahosin’ny kamiao

Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’ ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Tala­ta­maty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. […]

Andrefan’Ambohijanahary: telo mianaka maty nianjeran’ny trano

Telo mianaka namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny tamboho tamin’ny tranon’izy ireo, teny Andrefan’ Ambohijanahary. Nandritra ny orambe no nisehoan’izany, afakomaly vao maraimbe. Niara-maty, nianjeran’ny trano fonenan’izy ireo teny Andrefan’Am­bo­hi­janahary, afakomaly, ny olona telo mianaka. Renim-pianakaviana 68 taona sy ny zafiny roa lahy, 18 taona sy 21 taona izy ireo. […]