Mois : novembre 2024

Rugby Afrika- “Top 8”: Tsy naharesy ny ekipan’i Maroc ny Makis de Madagascar

Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona “B” nisy azy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiakarana “Top 8” eto Afrika. Lavon’i Maroc, 53 no ho 37, i Madagasikara. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny lalao famaranan’ny sokajy “B”, izay nifanandrinan’ny Makis de Madagascar, sy ny […]

Fomba amam-panao malagasy: Vitsy ny manao ny ala volon-jaza, indrindra ny Mivoaka itany

Tafiditra ao anatin’ ny fomba amam- panao malagasy atao aorian’ny fiterahana ny mivoaka itany sy ala volon-jaza. Vitsy anefa no mahafantatra sy manao izany ankehitriny. Manana fomba fanao amin’ny zaza vao te­raka ny foko merina. Rehefa nifana herinandro ny mpiteraka dia entina mi­voaka voalohany any an-to­ko­tany ny reniny sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Vahoaka marobe no tonga niatrika ny fampielezan-kevitry ny kandidà Harilala Ramanantsoa, teny Mahamasina, omaly. Resy lahatra ny vahoaka ary manantena fanovana sy fampandrosoana raha nandre ny fampahafantaran’ny kandidà ny vinany. Ho tanàna mandroso, milamina, madio, maitso, ary maha te honina moa ny teny filamatr’ity kandidà laharana fahafito ity. Anisan’ny nihaona […]

Andriamarotafika Soava – CENI : “Tsy manana fahefana hitsara na hanasazy “

“Tsy afa-mitsara na manasazy ny Ceni “, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­maro­tafika Soava, teny Alaro­bia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny karazana fitarainana voarain-dry zareo momba ny fandikan-dalàna ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana hanasazy ny Ceni, fa manao ny asa firaketana an-tsoratra ary mitondra izany any amin’ny rafi-pitsarana. […]

Mifamita-tena

  Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray. Andaniny, […]