Mois : novembre 2024

“Her world, Her rules” : Manome lanja ny basikety ho an’ny vehivavy

Tontosa ny sabotsy 23 novambra lasa teo, teny amin’ ny Kianja Barea Maha­masina, ny hetsika “Her World, Her Rules”, novolavolain’ny Fede­rasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), hositrahan’ny federasiona nasionaly, ka anisan’ny nisitraka izany i Madagasikara. Notsongaina manokana ny tovovavy manodidina ny 12 taona, eny anivon’ny EPP, izay fiaraha-miasan’ny Federasiona malagasin’ ny basikety […]

Jiu-jitsu breziliana : Mitazona ny laharana faha-22 maneran-tany ny Malagasy

Laharana faha-22 maneran-tany ny Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu. Nampiaka-danja ny taranja ny fahazoana ireo medaly volamena roa sy alimo iray tany Abu Dhabi. Miakatra ambony ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu. Ma­na­porofo izany ny vokatra azo nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, izay natao tany Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ny […]

Sombim-baovao

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « XXL Top 20 », federaly II. Norombahin’ny CEA Andranomanalina izany, rehefa lavon’izy ireo, 23 no ho 17, ny 3FAI Ambalavao Isotry. Tsiahivina fa hiakatra Top 12, izay voalohany amin’ity, ary manao lalao sakana kosa, ny 3FAI izay faharoa. […]

Fifaninanana « Za Go Janga »: Nanotrona ny hetsika ny minisitra Marson Moustapha Abdulah

Notontosaina teny Tsa­rarano Mahajanga, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifanintsanana fanatanjahantena mekanika “Circuit Za Go Janga”, andiany faha-13. Ton­ga tany an-toerana nanotrona ity hetsika ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ny lalao nandeha teny an-toerana. Anisan’ny sokajin-dalao tamin’izany ny hazakaza-piarakodia sy ny […]