Sehatra hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Etazonia ny eo amin’ny lafiny fandraharahana. Tsy ho latsa-danja koa anefa ny fandriampahalemana sy ny maha olona. Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo. Sehatra maro no noresahina […]
Mois : novembre 2024
Ivato : Vehivavy nahatrarana rongony 38 fonosana
Renim-pianakaviana mpivarotra rongony voasambotra tao Ivato K5, omaly. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana fa misy ramatoa manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny fisiana andian-tanora midoroka io karazan-java-mahadomelina io ny mponina manodidina. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola. Sarona tao […]
Famonoana ben’ny Tanàna : miaramila 2 voasazy 10 taona an-tranomaizina
Voaheloka higadra folo taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo miaramila dimy voasaringotra tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’ Ankazobe, afakomaly. Notanterahina tao amin’ny fitsarana tao Ankazobe ny momba ny raharaha nahafaty io ben’ny Tanàna io, ny alakamisy 21 novambra teo. 38 mianadahy indray voarohirohy tamin’ity […]
Niherika nijery tovovavy : mpitondra moto nitrongy andrin-jiro
Mahatsikaiky! Nihomehy tamin’ny nanjo ny tovolahy iray nitondra moto nandalo teny Tanjombato ny olona rehetra. Avy any amin’ny arabe izy ka niditra ny tetezamby mivoaka eo akaikin’ny banky iray eny an-toerana. Nahatsikaritra tovovavy roa izy teo am-pivoahana ny tetezana ka niherika sady nampaneno klaxon no mbola nitodika nijery azy ireo. […]
Anosibe: Raim-pianakaviana matin’ ny hanoanana
Niala aina teny Anosibe ny lehilahy mpibata entana iray, tokony ho 60 taona. Voalaza ho hanoanana no nahafaty azy. Efa tsy tafody an-trano izy ny alina mialoha an’io. Raim-pianakaviana iray, tokony ho 60 taona, no niala aina sy hita faty tetsy akaikin’ny toeram-pivarotana fanafody iray tetsy Anosibe, omaly tamin’ny 10 […]




