Mois : novembre 2024

INDRAY MIJERY

Mbola ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mety hankarary ny olona rehetra. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hidina ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo raha ampy hanadio ny rivotra ny rotsakorana antenaina amin’izao faran’ny herinandro izao. Hivangongo amin’ny afovoantany, avaratra andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy ny […]

Fianarana ho mpitsabo : nivoaka ny andiany Tafika

Tontosa omaly, tetsy amin’ny efitranon’ny Mining Business Centre Ivato, ny lanonam- panjakana manan-danja eo amin’ ny lafiny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny famoahana ny andiany Tafika (Tandroviko ny fitsaboana, koloiko ny aina) avy ao amin’ny Fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Teny filamatra no­sa­fidin’izy ireo ny Tafika. Tany am­boalohany, nahatratra […]

Rasoanindrina Marguerite: “Hampiarahana ny fampivoarana ny maha olona sy ny sekolin’ny ray aman-dreny”

22 taona ankehitriny ny sekolin’ny ray aman-dreny sahanin’ny mpampianatra, mpanolotsaim-pampianarana misotro ronono, Rasoanindrina Marguerite ( fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Margo). Nanampy mpanabe sy ray aman-dreny maro ny fifampizarana anarivony nentiny teo anivon’ny sekoly, fikambanana, fiangonana, minisitera hatreny amin’ny fiadidiana ny Primatiora. Nizara ny lalana nodiaviny tao anatin’ny taona […]

TARATRY ny KANTO

Hanao fampisehoana ireo mpianatra mpitendry amponga maroanaka, mpianatr’i Mendrika Rasolo­mahatratra. Rahampitso manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny CGM Analakely, izany. Fanaon’ny sekoly, mba hanomezana sehatra voalohany ireo mpianatra ao aminy, ny haka endrika fitsapam-pahaizana. Nodimandry Rabarivola Andriamihaja, fantatra amin’ny anarana hoe Ndrema. Mpanakanto izy ary zanak’i Romule tao amin’ny Kintana […]

“Kalo Gasy…Iray fitempo”: hiray sehatra ny Zandry Gasy sy ny M’iray Kalo

Famohazana, famelomana, fanandratana, fampitiavana ary fanapariahana ny hira malagasy. Mitovy tanjona ny tarika zandry Gasy sy ny M’iray Kalo amin’izay, ka nahateraka ny tetikasa “Kalo Gasy… Iray fitempo”. Fam­pisehoana izay hotontosaina ny sabotsy 30 novambra izao izy ity, eny amin’ny Arena Ivandry. “Kalo Gasy”, satria hifandimby an-tsehatra ao ny ba […]