Mois : novembre 2024

Loholona Tsiebo Mahaleo: “Ilaina ny fanakianana sy ny fanitsiana”

“Aoka kosa mba tsy hafangaro amin’ny famendrofendroana sy ny fanasoketana ary fivoizana zavatra tsy marina ny fanakianana sy ny fanitsiana. Ilaina tokoa ny fanakianana sy ny fanitsiana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo, teny Anosy, omaly, manoloana ny famoahana fanambarana miendrika fihantsiana na fanaratsiana ny fitondrana manoloana ny fiatrehana […]

Ady… hilaminana

  Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao. Heverina fa tsy hisy fokontany na kartie hadino. Ady fiady… Mifankahalala ary miresaka ny amin’ny kandidà sy izay fandaharanasany hampandrosoana ny tanàna ny mponina sy ny isan-tokantrano? Tena akaiky vahoaka sy ifotony ny raha­raha: fampielezan-kevitra, fandatsaham-bato, fanisam-bato…. […]

Rasoamaromaka Hery: “Mahaiza mijery izay hiara-miasa amin’ny fitondrana”

Ao anaty fampielezan-kevitra ny kandidà hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, ankehitriny. Mila mahay mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana ny vahoaka, araka ny hevitry ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Ny ahy ny teniko dia izao: mahaiza mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana. Satria efa nisafidy ny […]

Mpivarotra bala tsy ara-dalàna : jiolahy nahatrarana bala miisa 89

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina, omaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho mpivarotra basy tsy ara-dalàna. Nikasa hivarotra bala ity jiolahy ity kanjo efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary ka niroso tamin’ny fisavana ny tranony. Voamarina tokoa izany. Satria, tratra izy niaraka tamin’ny bala marobe […]

Zaza 6 taona maty novonoina : Voaheloka 10 taona sazy mihatra ny anadahiny

Voasazy higadra folo taona sazy mihatra, taorian’ny fitsarana azy, tao Fianaran­tsoa, omaly, ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona niharan’ny fanolanana sy vono. No­tanana am-ponja nanomboka ny volana mey 2023 noho io tranga vono olona niharo fanararaotana ara-nofo ny lehilahy. Tsy olon-kafa fa zanaky ny rahalahin-drainy, izay zazavavy vao 6 taona monja, […]