Mois : novembre 2024

Fizahantany : fanoitra amin’ny fampandrosoana

Sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara, ny fizahantany. Aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana aondrana any ivelany izy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Tse­naben’ny fizahantany sy ny asa tanana. Haharitra telo andro izany, etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Tonga teny an-toerana nitsidika ny ranty ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina […]

INDRAY MIJERY

Tohin’ilay tolotrasa handraisana mpiasa mankany Canada, efa mandeha eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, ny “entretien” ho an’ireo olona voasivana ka nahazo fiantsoana. Tonga eto amintsika ireo tompona orinasa avy any Canada miresaka mivantana amin’ireo kandidà. Ny HR Pro no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity fandraisana mpiasa ho any Canada ity. Ny […]

FIAMPEBA : misehatra amin’ny sosialy sy ara-toekarena

Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy ny Fikambanan’ny ampela bara (Fiampeba) eto Madagasikara. Nampahafan­tarina ny mpanao gazety tetsy Ambohitrarahaba izany, oma­ly. Mpikambana ao avokoa ny ampela bara rehetra maherin’ ny 18 taona manerana ireo disitrika 13, ahitana ny foko bara. Fikambanana mijoro amin’ny fanaovana asa sosialy sy ny lafiny ara-toekarena, ary hisitraka […]

ASFM : 30 taona nikojana ny zavamaniry

Loharanom-bahaolana sy fanantenana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny voka-pikarohana. Mandray anjara amin’izany ireo vehivavy mpikaroka ao amin’ny fikambanana siansa sy vehivavy eto Madagasikara (ASFM) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisany iantsorohan’izy ireo ny fanaraha-maso sy fikojakojana ireo zavamaniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara, novolen’izy ireo […]

Fahasalamana eto Madagasikara : manamafy ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola i Etazonia

Miara-miasa hatrany amin’ny governemanta malagasy ny governemanta amerikanina, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hamafisin’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo amin’io sehatra iray io. Manamafy ny fanaraha-maso ny rafitra fampiasam-bola eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). […]