Cosafa U17 – vehivavy : Resin’i Zambie ny Barea de Madagascar

Tapitra teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny nofinofin’ny Barea de Madagascar, ny amin’ny handrombahana ny amboara ho an’ny Cosafa, sokajy zandriny U17, vehivavy, taranja baolina kitra. Resin’i Zambie, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0, ry zareo. Fihao­nana, natao omaly, tao amin’ny Kianja UJ Soweto stadium, Afrika Atsimo. Nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny teknikan’ny mpilalao ry zareo zambianina. Nanjaka izy ireo teo amin’ny hazakazaka. Miainga any amin’ ny sisiny roa hatrany ny fanafihana zambianina. Nanokatra ny isa ry zareo teo amin’ny minitra faha-10, tamin’ny alalan’i Hellen Banda. 1 no ho 0 ny isa teo. Niezaka nanao izay ho afany ny Barea, notarihin-dry Nasaina sy i Angele ary i Louisa, fa mafy ny fiarovan­tena zambianina ka tsy vaky mihitsy. Hain’ny zambianina rahateo ny nameno ny kianja ka tsy nahita hirika ny Mala­gasy.
Minitra faha-31, nisy fitavozavozana teo amin’ny vodilaharan’ny Barea de Madagas­car ka nohararaotin’i Grace nampidirana ny baolina faharoa. Nanomboka nitambesatra teo amin’ireo Malagasy mpilalao ny fitarihan’ny zambianina tamin’ny isa 2 no ho 0. Isa nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fidirana faharoa, mbola nanao totoafo hatrany ny fanafihana zambianina. Nanao valim-panafihana ihany ny Barea saingy tonga aloha hatrany eo amin’ny baolina ny tovovavy zambianina. Minitra faha-50 nahazo “penalty” i Zambie, taorian’ny fandraisan-tanana nataon’ny vodilaha­rana malagasy saingy voasakan’i Alda izany. Na teo aza izany, mbola nahafaty ny baolina fahatelo i Mercy, teo amin’ ny minitra faha-76. Io isa 3 no ho 0 io no nisarahan’ny roa tonta.

Tompondaka

Partager sur: