Tratran’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly 11 desambra, ny volamena milanja 13,865 kilao. Bolongam-bolamena « lingots » miisa telo ireo tratra ireo tao anatin’ny entana nentin’ny teratany malagasy iray. Handray ny sidina ET 852 an’ny kaompania Ethiopians Airlines, niainga teto Antananarivo handeha hiondrana any Addis-Abeba ity mpandeha ity.
Fantatra fa nandalo ny fisavana ilay mpandeha, ka tsy nahitana na inona na inona tany aminy. Rehefa tafiditra tany amin’ny efitrano malalaka fiondranana (salle d’embarquement) izy dia nakany amin’ny toeram-pivoahana ary narahin’ny olona iray. Nampiahiahy ny mpiasan’ny fadin-tseranana izany fihetsika izany. Natao ny fisavana rehefa nivoaka avy any izy sy ilay olona nanaraka azy, heverina ho mpiray tsikombakomba taminy. Teo no nahatrarana ny volamena 13 kilao sy 865 grama. Nosamborina avy hatrany ireo olona roa ireo, ary mitohy ny fanadihadiana hikarohana ny mpiray tsikombakomba hafa.
Tsiahivina fa nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, tamin’ny mai 2024, fa manodidina ny 1 taonina isam-bolana ny volamena miondrana antsokosoko eto Madagasikara, izany hoe, tombanana 12 taonina isan-taona. Any Dubai matetika ny toerana tena hitondrana azy ireo.
Njaka A.




