Taona 2017, tafatsangana ny Groupe Hell’s. Ny « rock fusion » na ny « rock », nasiana fangaron-gadona hafa nolokon’ny mozika trandrahin’ny tarika. Tsy mitsahatra ny mikaroka ireo mpikambana ao aminy.
Fikarohana roa no anisan’ny mampiavaka ny Groupe Hell’s miangaly ny « rock fusion » na ny « rock » asiana fangaron-gadona hafa tahaka ny « blouse ». Iray amin’ireny ny fametrahana hevi-dehibe miompana amin’ny fandriampahalemana sy ireo tontolo mifamatotra amin’ izany, ao anaty tononkira. Anisan’ireny ny firaisankina, ny fitiavana amin’ny endrika marolafy (ray aman-dreny, tanindrazana, ny tontolo iainana, sns). Mitodika amin’ireo iharan’ny tsindry hazolena eny amin’ny fiarahamonina (zaza amam-behivavy, zokiolona). Manentana mba hanajanonana ireo ady amoizana ain’ olombelona vokatry ny fitiavan-tenan’ireo mpitondra ihany koa ny Groupe Hell’s… « Tombony ananan’ny tarika ny fahaiza-mamoron-kira, satria, samy manao izany ny mpikambana rehetra », hoy i Chloé Soavina, vavitokana ao anatin’ny tarika. Samy manana traikefa matanjaka amin’ny fiangaliana ny rock rahateo ireo mpitendry zavamanenon’ ny Groupe Hell’s.
« Rock fusion » ampiasana zavamaneno tsotra
Mikaroka hatrany ireo mpikambana ao anatin’ny Groupe Hell’s ny amin’izay fomba ahafahana manolotra mozika vaovao mahafeno ny famaritana ny kanto. Ampahany amin’ny asa fikarohana ataon’izy ireo ny fiangaliana ny rock amin’ny fampiasana ireo zavamaneno tsotra (acoustique). “Mora kokoa ny mampita ny hafatra anatin’ny tononkira ary tsy sarotra ny manainga ilay fihetseham-po lalina raiketin’ireo sanganasa ho any amin’ireo mpankafy anatin’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara tsotra sy ny korintsana ary ireo amponga vita malagasy », hoy hatrany i Chloé Soavina.
Chloé Soavina (feo sy fitendrena ny vatamaroafitsoka), Lallah Ramaharoson (amponga maroanaka), Andry Ramamonjisoa sy i Karim Djinah (gitara), Mampionona (gitara beso) no mandrafitra ny Groupe Hell’s.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto




