Hiakatra ao amin’ny IFM Analakely ry Solomiral. Natetitetika tato ho ato ny fiakarana an-tsehatra nataon-dry zalahy, taorian’ny nahalasanan’i Fanaiky. Manararaotra ihany koa ny fandalovany an-tanindrazana iarahana amin’ireo rahalahiny i Hajazz, ka hizara indray ireo hiran’ny tarika nandritra izay 30 taona mahery nisiany izay.
Seho “Noely anaty mozika sy dihy”. Hotontosaina ny alahady 15 desambra izao izy ity, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Auditorium Havoria Anosy. Ireo mpianatra sy mpampianatra dihy sy mozika ao amin’ny akademia no hizara ny hafaliana noho ny andro noely, mandritra izany.
« Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fikarohana momba ny mozika ny solfezy ». Io no nambaran’ireo mpampianatra mozika mitana toeram-piofanana sy fampianarana eto an-dRenivohitra ny talata 10 desambra teo. Anisan’ny nimasoan-dry zareo ireto ny hanoratra sy andrakitra amin’ny solfezy ireo hira fahiny, anaty diska. Kendrena amin’izany ny tsy hisian’ny fiovana. Izany hoe, izay namoronan’ny tompony azy no hosoratana.
Taorian’ny fiverenany teto an-tanindrazana, mitohy hatrany ny fampisehoana tanterahin’i Zook Davids. Hahazo ny anjarany ihany koa ny eny amin’ny FJKM Ambondrona Voara Famonjena (Lalam-pirenena faha-7, Pk.55). « Ankizy tia Baiboly », hotanterahina ny sabotsy 14 desambra izao, amin’ny 2 ora tolakandro. Hetsika iaraha-manatontosa amin’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy.




