Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana ho ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Tsy araka ny tombantombana sy ny fiheveran’ny maro azy hoe hisy korontana. Nisy ny tsy fahatomombanana, ekena izany! Saingy nampiavaka azy kosa, nisy hatrany ny vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy nanova zavatra betsaka ihany koa ny momba ireo voalaza fa hala-bato sy hosoka novoizina teny amin’ny tambajotran-tserasera.
Marihina fa tsy manana lanja ara-pitsarana rahateo ny mahakasika ny vaovao miely na horonantsary eny amin’ny tambajotran-tserasera. Izay vaovao sy vokatra ary firaiketana an-tsoratra avy amin’ny birao fandatsaham-bato ihany no manan-kery. Mazava ho azy fa dia kisarintsarina fanakorontanana ny momba ireny hita teny rehetra teny ireny, andaniny. Fandrebirebena fotsiny ihany, ankilany.
Vita izy izay, ny latsa-bato sy ny fanangonana vokatra vonjimaika no vita. Ny vokatra avy amin’ny Ceni kosa mbola afaka 12 andro aorian’ny anio. Tsy misy afaka ny mitompo teny fantatra fa mpandresy na iza na iza mialoha izay. Hatramin’ny halina, mbola nifandanja sy nivadibadika ny vokatra na ny teto an-dRenivohitra aza. Na izany aza, misongadina ny antoko lehibe toy ny Irmar sy ny Tim.
Noporofoin’ny vahoaka malagasy ny maha demokratika azy. Tsy voarangitry ny mpanao politika sy ny mpila ranondranony tamin’ny kandidà. Raha ny resabe nialoha ny omaly, ohatr’ireny hoe dia hirehitra afo ny tanàna, ho an’ny mpijery miiba rehetra. Tsy misy olana anefa, tsy misy ny fifandirana hatreto. Samy mipetraka sy mihainohaino any an-davatranony avokoa ny rehetra.
Ain-dehibe ho an’ny hoavy politikan’i Madagasikara rahateo ny mahakasika ny ben’ny Tanàna. Tomponandraikitra feno amin’ny fampandrosoana ny tanànany ihany koa izy.
r.r




