Hivarotra jirofo : Lehilahy nahatrarana basy sy bala tsy ara-dalàna

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny seranan-tsambo Toa­masina, ny 19 desambra 2024 tamin’ny 8 ora sy sasany alina, ny lehilahy iray nitondra basy. Nandritra ny fisavana teo amin’ny vavahady iray ao amin’ny seranan-tsambo no nahatrarana ity lehilahy iray 34 taona niaraka tamin’ny basy PA marika Pietro Beretta ity. Tsy izay ihany fa tratra niaraka taminy koa ny tranom-bala iray misy bala 7,65 mm miisa dimy tsy misy taratasy ara-dalàna. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ilay fitaovam-piadiana raha nentina nanaovana famotorana kosa ilay lehilahy nitondra izany. Tao anatin’ny famotorana azy no nilazany fa monina any Mananara Avaratra izy ka niondrana tamin’ny lakana iray nihazo an’i Toamasina. Nilaza izy fa tonga ao Toamasina hivarotra jirofo ka antony nahatonga azy nitondra io fitaovam-piadiana io. Nambarany fa efa mpitondra basy izy satria mandraharaha amin’ny sehatry ny jirofo. Mbola ao anatin’ny famotorana azy tanteraka amin’izao fotoana izao ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Seranan-tsambon’i Toa­ma­sina ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra.

J.C

Partager sur: