Mois : décembre 2024

Vaninandro krismasy : Manomana hetsika miavaka ho an’ny vahoaka ny fanjakana

Zava-dehibe ny fiaraha-mifaly amin’izao vanim-potoanan’ny Noely izao. Izany indrindra no namolavolan’ny fitondram-panjakana hetsika maro entina hiaraha-mifaly amin’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka. Tanterahina ny 21 hatramin’ny 24 desambra izao, ao amin’ny Kianja Masoandron’ny Rovan’i Ma­da­gasikara, ny «Concert de Noel». Hetsika fankalazana ny krismasy omanin’ny filohan’ny Repoblika mivady, miaraka amin’ny fiadidiana ny […]

Tomban’ny toetr’andro: Miakatra hatrany ny maripana, mety hitondra tsy fahasalamana ho an’ny olona

Ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasi­kara amin’izao. Miakatra ny tahan’ny hafanana, indrindra amin’ny andro atoandro. Ma­ha­tonga aretina maro samihafa ho an’ny vatan’ny olona tsirairay avy izany. Miakatra ny maripana ho an’ny eto Madaga­si­kara raha ny fanazavana voaray avy amin’ny foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. Manodidina ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Vidina 2 600Ar ny kilaon’ny vary Stock, 3 560Ar kosa ny iray kilao amin’ny vary Makalioka raha 3 160Ar ny vary Semance sy ny vary gasy mavokely eny amin’ny tsenan’Anosibe. Manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary tiany araka ny fahefa-mividiny. Na izany, tokony hifampitsinjo ny samy Malagasy ialana amin’ny fanararaotana. Tanterahana ao amin’ny […]

Fitantanana ireo faritra arovana: Famatsiam-bola 35 tapitrisa euros azon’i Madagasikara

Mitentina hatrany amin’ny 175 Miliara Ariary na koa 35 ta­pitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny Vondrona eoropeanina ho an’ny fandaharanasa « Faritra Arovana Mi­rindra » (Fa­mindra). Fama­tsiam-bola natokana ho an’ny faritra arovana sy ny fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina. Nanao sonia izany ny masoivoho ny vondrona eoropeanina sy kaomoro eto Madaga­sikara, […]

Tandremo ilay mirobaroba

  Toy ny isam-bolana dia efa mirotsaka any anatin’ny kaontin’ny tsirairay any ny karama an’ireo mpiasam-panjakana. Tsy tara mihitsy ry zareo tomponandraikitra manafaingana izany noho ny filana. Hafa anefa ny volana desambra, tsy tokony ho hadino. Raha volan’ny famonjena hoy ny kristianina dia volan’ny fandaniana ihany koa. Volam-pety no dikany […]