“Ny fiara tsy mataho-dalana homena ny depiote dia tsy nalaina tamin’ny kitapom-bolam-panjakana no hividianana azy, fa nalaina tamin’ny karaman’ny depiote”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fividianana fiara 4×4 ho an’ny depiote. Ny tambin-karama fanonerana ny fitaterana ao anatin’ny karamany no akana azy. […]
Mois : décembre 2024
Rabary Paul : “Tsy amin’ny korontana sy fihemorana intsony ny Malagasy”
Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana amin’ izao, misy ny manahy na matahotra korontana politika? Na sanatria maniry izany aza… Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul: “Tsy amin’ny korontana sy fihemorana intsony ny Malagasy.” Fanehoan-kevitra… “Tsy dia tena mieritreritra politika politisianina ny olona amin’izao. Izay […]
TARATRY ny KANTO
Tafaverina an-tanindrazana ny tarika Iraimbilanja. Avy nanatontosa seho maromaro tany Frantsa izy ireo, ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy any an-toerana. Efa manome fotoana sahady ireo niandry fotoana elaela ihany koa : ny sabotsy 21 desambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany etsy amin’ny Karibotel Analakely. Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 24 […]
World Music : Hisehatra an-tanindrazana i Fety
Mety anarana vaovao amin’ny maro… Saingy tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny mozika i Fety. Mpanakanto malagasy efa nanoritra ny lalany any ivelany any izy, saingy tsy manadino ny fototra nipoirany. Antony lehibe nanokanan’i Fety fotoana roa, hizarany ny mozikany ho an’ny mpiray tanindrazana izany. Ny voalohany rahampitso 19 desambra, etsy […]
Asa soratra : Namoaka boky vaovao i Esther R. R.
Azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny fivarotam-boky nanomboka ny 17 desambra teo ny boky Ranavalona III (1883- 1897) . Esther R. Randriamamonjy (ERR) no nanatontosa ny fanoratana ity boky ity. Asa soratra ahitana pejy miisa 155 izy ity. Aingam-panahy avy amin’ny fiainana sy fotoana naha mpanjaka an-dRanavalona III no narakitra ho tantara. […]




