Mois : décembre 2024

Sangisangy zary tenany!

  Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, tamin’ny herinandro lasa, ny sarin’i Madagasikara miloko volomboasary misy soratra hoe: « Amidy ». Asa inona no antony? Iza no mahazo tombony amin’ny fanelezana sy fanaovana ranty tahaka izany? Mampanontany tena sy mampieritreritra, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tena efa tompony mangataka atiny rahateo ilay Malagasy manana […]

Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”

Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy. “Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy […]

TSELATRA

Mitaraina noho ny famindran-toerana tampoka ireo zandary sasantsasany amin’izao an-katoky ny fety izao. “Fotoam-pialantsasatra lehibe vao tokony hisy ny famindran-toerana”, hoy ny solontenan’izy ireo. Miko­rontana vokatr’izany, ny fianan’ny zanak’izy ireo izay mbola mandranto fianarana. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny zava-misy izy ireo. Nampisavoritaka ny sain’ny mponina eny Tsiadana ny […]

Nivarotra rongony : mpivady niara-voasambotra

Voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny fivarotana rongony tao Talata Volonondry, ny 13 desambra teo. Naharay fitarainana avy tamina olon-tsotra ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana. Voalaza fa misy mpivarotra rongony ary hiangonan’ireo mpidoroka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny tanànan’i Maha­variana. Natao ny fisavana, […]

Nikasa hanolana : Jiolahy tratra nitrotro ankizivavy

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nikasa hanolana ankizivavy 4 taona tao amin’ny fokontany Ramena, Antsiranana II, afakomaly. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ramena ny zandary avy ao amin’ny borigady Antsiranana momba ny fisian’ity tranga hafahafa ity. Voalazan’ny tatitra fa hoe niditra an-keriny tao amina tokantranon’ny renim-pianakaviana iray ity […]