Mois : décembre 2024

Saripika : Hizara fihetseham-po ny “Mi-Tily Sary”

« Ho tiavinay… Madagasi­kara ». Lohahevitry ny fampirantiana saripika, izay haseho ao amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina io, manomboka ny sabotsy 21 desambra izao ka tsy hifaranana raha tsy ny 25 janoary 2025. Fikam­banana mpankafy sary, izay samy mpisehatra eo anivon’ny Tily eto Ma­dagasikara ny « Mi-Tily Sary ». Hitondra ny mpitsidika hianjoria manerana […]

Slam Poésie: Miditra amin’ny dingan’ny famaranana ny « Tournoi 250300 »

Mitohy hatrany ny seho mahafinaritra ho an’ny mpankafy Slam poésie. Tonga indray ny hetsika goavana ahitana seho miavaka, « Tournoi 250300 », taorian’ny fifaninanana nasionaly. Tanterahina ny alarobia 18 desambra izao, eny amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny dingana famaranana amin’ny « Tour­noi 250300 ». Mpiangaly Slam Poèsie miisa enina, samy ma­nana ny maha izy azy […]

Ala volon-jaza : fomba amam-panao hanalana ny vintana ratsy amin’ny zaza

Dingam-piainana tsy maintsy lalo­van’ny Malagasy maro ny fanaovana “ala volon-jaza”. Ahitana mpanao azy ny faritra maro, indrindra ny eto Imerina. Fomba amam-panao ataon’ ny ray aman-dreny amin’ny zanany, rehefa tonga eo amin’ny fahatelon’ny volana nahaterahany. Na dia eo aza ny fivoa­ran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana misy eto amin’ny firenena, mbola […]

FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny fanoherany ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna ny filoha lefitry ny Anteni­mierampirenena, Randrinasoloniaiko Siteny Thierry. Nanao antso avo amin’ireo eo anivon’ny fanoherana koa ny tenany. “Aoka isika ho tonga saina sy hanambatra ny hery. Tsy ho mora ny fampitambarana mpitarika politika saingy tokony hijoro isika”, hoy izy. Mitarika vonjimaika amin’ny […]

Antananarivo Renivohitra: Mitarika Ramanantsoa Harilala

« Mitarika amina salanisa 42,3% ny kandidà Rama­nantsoa Harilala eto Anta­nanarivo. Nanaparitaka ny vaton’ny TIM ny firotsahan-dRazafinjoelina Tahiana », hoy ny governoran’Analaman­ga, Rasoamaromaka Hery. Ity farany izay nitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao teto Ma­dagasikara, indrindra ny fironam-bokatra eto Antana­narivo Nambarany, teny Ambohi­dahy, fa efa mitarika amin’ny isam-bato […]