Mois : décembre 2024

Nifandona tamin’ny dahalo : Omby sivy tafaverin’ ny fokonolona

Nandositra avokoa ny dahalo nangalatr’omby tao amin’ny tanànan’Agnala, kaominina Ambahita, distrikan’i Bekily, ny alarobia 11 desambra teo. Navoakan’ireo olon-dratsy ny omby miisa sivy tao am-bala. Hitan’ny tompon’omby anefa ireo mpandroba. Nanao hazolava, nivoaka avokoa ny olona mipetraka amin’ny manodidina ny tranon’ny lasibatra. Nandositra nitondra ireo omby halatra ny dahalo. Nanara-dia […]

Tournoi de Noël Basikety: Nivoaka mpandresy ny Etamazaoro

Notontosaina tao amin’ny Kianja Bataillon Mé­dical Ampahibe, ny 10 desambra 2024 teo, ny lalao famaranana taranja basikety, ao anatin’ny « Tournoi de Noël ». Nifanandrina tamin’izany ny tomponandraikitra ambony sy sokajy mifangaro eo anivon’ny Foloalindahy. Ny lalao famaranana voalohany, nihaonan’ny ekipan’ny Etama­zaoron’ireo Tafika sy ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Nivoaka mpandresy tamin’ity […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, any Mahajanga, ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Fosa Juniors sy ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC). Samy klioba avy any Boeny moa izy ireto, ary mbola manala vela ny TFFC, izay efa nomontsanin’ny Fosa 4 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso. Ity fihaonana ity, […]