Mois : décembre 2024

Rugby – “XXL Top 12” : Adin’ny kartie ny an’ny Tam sy ny Mang’Arts

Hiditra amin’ny andro faha-11 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Fifaninanana hotanterahina ra­hampitso, etsy amin’ny Kian­ja Makis Andohatape­na­ka. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny Mang’Arts Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny an’ny roa tonta. Hanala vela amin’ Anosibe amin’ity ry zareo Manjakaray. Samy […]

Tsipy kanetibe: Ho tonga anio ny ekipa malagasy

Higadona eto an-tanindrazana, anio, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe lehilahy, avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024. Ho tsenaina amin’ny fomba makotroka ireo maherifo ireo izay avy nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Dijon, France. Raha tsiahivina nandrombaka ny amboara volamena teo amin’ny “tir de précision” i Zigle ary […]

Ivontoerana Carion : Haharitra valo volana ny asa fanavaozana

Efa manomboka ny asa fanorenana ny ivontoeram-piofanana baoliana kitra eny Carion. Tetikasa izay tohanan’ny Federasiona iraisam-pirenena, ary natao hanomanana ny Barea Academy izany. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, oma­ly, teny Carion, ny fanombohana ny asa fanavaozana ny ivontoeram-piofanana baolina kitra eny an-toerana. Tonga nametraka vato fototra, manamarika izany, ny filohan’ […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny Ariary miohatra amin’ny dolara, tato anatin’ny iray volana. Nisanda 4 685 Ar ny 1 dolara, omaly 13 desambra, raha 4 645 Ar ny 13 novambra. Nahazo aina kely, nidina ho 4 883 Ar kosa ny 1 euro, omaly, raha 4 917 Ar ny 13 novambra. Nahatratra 7,8% kosa ny salanisan’ny fidangan’ny […]

“The Climate Show” : Entanina ny tanora hiaro ny tontolo iainana

Hotanterahina voalohany eto Madagasikara, ny 16-17 ary 18 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny “The Climate Show”. Hetsika karakarain’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) hanentanana ny tanora handray andraikitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Ho avin’ny firenena ny tanora. Adidintsika ny mampisehatra azy ireo amin’ny fampandrosoana […]