Mois : décembre 2024

Namono ny zanany vao teraka : Voasambotra ilay ramatoa nahavanon-doza

Tra-tehaky ny zandary ilay renim-pianakaviana namono zaza menavava tao amin’ny kaominina Mahabo, afakomaly. Vehivavy 20 taona, no­samborin’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ankadisarotra, kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidra­trimo, ny 11 desambra teo. Hi­tan’ny fokonolona tao amin’io fokontany io ny zaza menavava iray, tamin’io andro io. Ni­hoson-dra tanteraka ny vavany ary notsatohana hazo ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita hatrany amin’ny 40% ny fanamboaran-dalana ao Antsirabe Renivohitra. Voakasik’izany ny lalana Le Myre de Villers, ka mirefy 2 km ny nasiam-panamboarana. Hatao godirao koa ny lalana eo Ampatana hatreny amin’ny farmasia Vakinankaratra, raha rarivato sy « béton » ny eny amin’ny sampanana Zaodahy mankany Ambohimena. Natao ny 10-12 desambra teo ny […]

Lalàna any atsimo : 165 tapitrisa dolara avy amin’ny Bad

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 11 desambra teo, ny fampindramam-bola mitentina 165 tapitrisa dolara an’i Mada­gasikara, andiany fahatelo. Hanamboarana fotodrafitrasa mba tsy hampitoka-monina ny any atsimon’ny Nosy sy aty Afrika io vola io. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara sy Beira atsy Mozambika. […]

Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina: Voafaritra ny paikady mandrafitra ireo vina

Hiara-hiasa ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena. Fantatra ireo paikady stratejika hanatanterahana ny asa sy ireo vina apetraka ho an’ny taona 2040. Hampakatra 7%, isan-taona, ny tahan’ny ha­rinka­rena, hampandray anjara 30% ny sehatry ny indostria, eo amin’ny harinkarena faobe ary hampiakatra 15% ny tahan’ny […]