Mois : décembre 2024

INDRAY MIJERY

Ankatoky ny Noely sy faran’ny taona, mahasarika ny mpiantsena ny karazan’entana zakan’ny fahefa-mividiny. Mahaliana ny ankamaroan’ny olona ny tsena tsy misy vidim-pidirana mivarotra ny entana ilaina amin’ny fety. Maro mpividy amin’izany ny karazana vatomamy isan-karazany, ny haingon-trano, ny kilalao ho an’ny ankizy, ny ankajo fitafy hiomanana amin’ny fety. Mankalaza ny […]

Sambo Africa Mercy: lasa niatrika fikojana fa hiverina

Ho fikojana ny sambo mpitondra fitsaboana sy fandidiana, hanatanteraka fanamarinana ny fiasan’ny sambo iray manontolo ny tomponandraikitra ka handao an’i Madagasikara aloha ny Africa Mercy, anio. Hiverina hanohy ny asa fitsaboana kosa ny mpiasa rehetra ny volana febroary 2025, araka ny fampitam-baovao niraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mercy ships. Mitohy […]

Nihena ny fanoratana ara-panjakana ny zaza: Tokony halavaina ny fotoana fanambarana fahaterahana

Raha tsy misy ny ezaka ataon’ny firenena aty Atsimon’i Afrika, hahatratra 100 tapitrisa ny zaza tsy hisy ara-panjakana satria tsy voasoratra eo am-pahaterahana aorian’ny taona 2030, araka ny tatitry ny Unicef ho an’ny taona 2024. Zaza latsaky ny 5 taona mahatratra 500 tapitrisa no voasoratra ara-panjakana teo am-pahaterahana tao anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra. Ingahibe Tselonina, etsy […]