Mois : décembre 2024

Zotram-pifidianana : Tanora mpianatra 58 nahazo fiofanana

Nanomboka ny 16 septambra ka hatramin’ny 28 novambra teo no nametrahan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar ny tetikasa “Jeunes reporters francophones 2024”. Tetikasa fanofanana ho an’ny mpianatra amin’ny asa fanaovan-gazety sy serasera amin’ny fandrakofana ny zotram-pifidianana izy ity. Ny Organisation internationale francophone (OIF) no manohana azy. Mpianatra 58 avy amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy […]

Fampananana asa : Vitsy ny orinasa mandray olona manana fahasembanana

Mbola ambany ny tahan’ny olona manana fahasembanana tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy miasa amina orinasa eto Madagasikara. Sakana mahatonga izany ny toe-tsain’ny fiarahamonina manilika ireo olona sembana ka manakana azy hiaina toy ny olon-drehetra. Eo koa ny olana amin’ny fandresen-dahatra ny mpampiasa hanehoana fa mahavita ny asa ilay […]

INDRAY MIJERY

48% amin’ny ankizy eny amin’ny ambaratonga fototra (EPP) ihany no manohy eny amin’ny CEG, hoy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, omaly. Hanampy ny tanora ho tia fianarana ny tetikasa « Ankizy hihary », izay hapetraka eny amin’ny sekoly Ambaratonga fototra faharoa, CEG. Dimy taona no nisian’ny fandaharanasa nasionaly “Fihariana”, novolavolain’ny filohan’ny Repoblika. Efa […]

Autisme Madagascar: Niova ho Mouvement pour la différence 

Tao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, omaly, nanao fanambarana ny fikambanana Autisme Madagascar. «Tsapan’ny mpitantana ny fikambanana fa mbola fanamby ny ady amin’ny fanilikilihana ny olona manana fahasembanana eny anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara. Tsy ny olona autiste ihany no iharan’izany fa ireo rehetra manana fahasamihafana. […]

Olona manana fahasembanana : Tokony hisitraka zo feno toy ny rehetra

“Ampitomboina ny anjara andraikitra maha mpitari-dalana ny olona manana fahasembanana, ahitana firaisankina maharitra”. Io no lohahevitry ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, izay nomarihina omaly. Olona 1 amin’ny 6 no sembana, raha ny tarehimariky ny OMS. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo izy ireny. Satria, heverina hamoy ny ainy […]