Mpampianatra 22 370 no efa nahazo fiofanana hanatanteraka ny tetikasa « Ankizy hihar »y eny anivon’ny CEG 23, ety am-piandohana. Hamolavola mpianatra hamorona asa ho an’ny tenany no tanjona satria efa manana fahatokisan-tena amin’ny hoavy izy ireo. Notanterahina, omaly, teny amin’ny CEG Nanisana ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Ankizy hihary”, […]
Mois : décembre 2024
« Salon TT Warsaw » : Nisongadina tany Varsovia i Madagasikara
Voafidy tao anatin’ny sokajy « tsara kalitao sy zava-baovao » i Madagasikara, nandritra ny hetsika ara-pizahantany iraisam-pirenena, « Salon TT Warsaw 2024 ». Nifarana ny 1 desambra teo ny hetsika, natao tany Varsovia, renivohitr’i Pologne, andiany faha-30. Anisan’ny singa nahazoana an’io fankasitrahana io ny ezak’i Madagasikara hisarihana ny mpizahatany ho avy aty Madagasikara, nataon’ny […]
Fampandrosoana : Tafatsangana ny vovonana PIE
Misokatra ho an’ny rehetra ny vovonana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny angovo na « Plateforme des investissements en énergie » (PIE). Hamaly mivantana ny politikan’ny angovo eto Madagasikara izany. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD), izay mikendry manokana ny fisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka sy maharitra ary amin’ny vidiny mirary, ity vovonana […]
Tetikasa Purpa : Niakatra ho 4t/ha ny voka-bary
Anisan’ny nahafahana nampiakatra ny voka-bary ny tetikasa Purpa. Manampy ny vary, tohana ifantohany koa ny seha-pihariana famokarana varimbazaha, menaka fihinana, sns. Nanomboka, ny taona 2022, ny tetikasa Purpa*, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola. Anisan’ny tanjony ny hanohanana ireo foibe mpikaroka sy mpamokatra […]
SOMBIM-BAOVAO
Norombahin’i Safidy Mahaliana Andrianisoa (Sentaku), avy amin’ny Team Sly, ny laharana fahatelo teo amin’ny « jeux video, Mzansi Esports Champions ». Fifaninanana ho an’ny vehivavy, natao tatsy Afrika Atsimo, ny 29 novambra ka hatramin’ny 1 desambra lasa teo. « Nanamporofo ny tanjak’i Madagasikara ny fihaonana izay efa avo lenta », hoy i Sentaku. […]




