Vola sandoka 16 tapitrisa Ar tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Ambositra, afakomaly. Ankizy nanao ankiafina no niditra tao amin’ny trano iray. Nisavasava amin’ny maha zaza azy ireo, nahita harona plastika nisy vola sandoka tao aminy. Nanatona ny tomponandraikitry ny tanàna avy hatrany izy ireo. Nampiantso ny mpitandro […]
Mois : décembre 2024
Dimy lahy mitam-piadiana: Tokantrano voaroba 7 hetsy Ar
Very vola 7 hetsy sy finday iray ny tokantrano iray ao Andranomadio 11/41, kaominina Toamasina, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 27 desambra teo. Niandry trano irery niaraka tamin’ny zanany vao 8 volana io renim-pianakaviana io. Ny vadiny izay voatery niala mandry noho ny fahazoany asa vaovao. Notongavan’ny dimy lahy tao […]
Trafikana sokatra : Depiote nalefa any Tsiafahy
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ny depiote iray sy ireo mpiara-miasa aminy, tompon’antoka tamina raharaha fanondranana sokatra antsokosoko. Tsy afa-bela! Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ilay depiote iray voafidy tao Soavinandriana Itasy sady inspecteur de police sy ireo mpiara-miasa […]




