Hita faty tao anaty lavaka fihadiana volamena ny raim-pianakaviana iray, 45 taona, ny sabotsy teo. Nanaitra ny manodidina ny fofona hafahafa…
Hita faty tao anaty lavaka fiadiana volamena ny raim-pianakaviana iray, 45 taona, ny sabotsy teo. Nanaitra ny manodidina ny fofona hafahafa…
Raim-pianakaviana iray, 45 taona, maty an-drano tao anatina lavaka ao amina toeram-pitrandrahana volamena an’ny orinasa iray ao Ambilobe, ny faran’ny herinandro teo. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nandre fofona hafahafa ka nampandre ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Betsiaka. Nidina teny amin’ilay kariera ny zandary ka voamarina tokoa ny fahitana ny nofomangatsiakan’ilay niharam-boina. Mbola hita teny aminy ny akanjony saingy efa mihasimba tanteraka ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary niaraka tamin’ ny dokotera teny an-toerana. Ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary no nahafantarana fa monina ao amin’ny fokontany Ankatoko, kaominina ambanivohitr’i Betsiaka, distrikan’ Ambilobe izy.
Tsy hita popoka…
Araka ny fanazavan’ny fianakaviany, niala tao an-tranony izy, ny voalohan’ny volana janoary 2025 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Tsy hita popoka intsony izy taorian’izay raha tsy izao hita faty tao anaty lavaka izao. Ny fitsirihana nataon’ny dokotera, efa telo andro teo ho eo ny nahafaty azy. Efa nomena ny fianakaviany ny razana mba hikarakarana ny fandevenana.
Vehivavy iray hafa koa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny sabotsy alina teo, tao Sengaloka Ambilobe. Mpivarotra akoho ity niharam-boina ity ka tao ambadiky ny trano fonenany ihany no nahitana ny razana. Tsy mbola fantatra ny tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity.
Jean Claude