Tafiditra tanteraka anatin’ny laza i Njara Marcel. Tsy mora anefa ny lalana nolalovany tamin’izay. Tafa fohy, teo anelanelan’ny fandraisam-peon’ny hira vaovao, nifanaovana taminy. Gazety Taratra(*): Efa mipetraka izao ilay anarana Njara Marcel. Azo fintinina ve ny lalana tao anatin’ny mozika nandritra izay? Njara Marcel (-): Eny. Nanomboka ny taona 2012-2013 […]
Mois : janvier 2025
Lany andro: Mila havaozina ny taranja malagasy
Mianatra « malagasy » mandritra ny 12 taona, kanefa, tsy mahay teny malagasy. Mianatra « malagasy », kanefa, tsy mahay manonona teny malagasy ny taranaka Malagasy. Tsy mahay manavaka ny « dr » sy ny « j ». Ny « Andriamanitra » lasa « Anjemanitra ». Ny « ianareo » nanjary « ianarrrrrreo ». Mianatra « malagasy », kanefa, manana fotom-pisainana vahiny ny zaza sy ny ankizy ary […]
Tantara foronina: Manomboka maka tahaka ny Malagasy
Any amin’ny Radio no ahatarafana fa manana mpanoratra tantara mitohy ihany ny Malagasy na dia somary vitsy aza izy ireny raha oharina amin’ny mpanoratra tononkalo. Mitombo tsikelikely, anefa, ny tsikera momba azy ireo. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fakana tahaka amin’ireo tantara na sarimihetsika vahiny. Na tsy miharihary tanteraka aza, […]
Mandroso sy mihemotra: Saba-droa lela ny sekoly sy ny soratra
Tsy mba nanana sekoly rindrina efatra ny Malagasy raha tsy tonga teto ny vahiny. Izy ireo no nampianatra nanoratra rehefa voadinika izay alfabeta hoampiasaina. Samy nitondra fiovana teto Madagasikara na ny sekoly na ny soratra. Samy nanana ny fiantraikany ihany koa. Taona 1820, nahatongavan’ny Pasitera Jones, avy ao amin’ ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hankalaza ny faha-50 taona nilomanosany tao anatin’ny taranja Volley ball, Raharimalala Léa, filohan’ny Federasiona malagasy ny taranja Volley ball amin’ity taona 2025 ity. Hetsika maro no hokarakaraina hanamarihana izany, ka hosantarina amin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025, ny sabotsy 1 febroary izao izany. Tsy tafiditra anatin’ny 250 voalohany maneran-tany ny […]




