Mois : janvier 2025

« Le Meilleur Pâtissier »: hiatrika ny famaranana i Tsiory Razafinimanana, anio

Mamiratra ary tena misongadina ny Malagasy. Manaporofo izany i Tsiory Razafinimanana amin’ny fandraisan’anjarany amin’ny “Le Meilleur Patissier”. Tanterahina anio hariva, any Paris France ny famaranana ny “La Meil­leur Patissier” andiany faha-13. Fifaninanana manamboatra mofomamy, karakarain’ny fahitalavitra Frantsay M6 izy ity. Anisan’ireo telo hiatrika izany dingana lehibe izany i Tsiory Razafinimanana, […]

Vaovao tambatra

 Tsy maintsy hahitsy amin’ny tena vidiny iraisam-pirenena ny vidin’ny solika fandrehitra amin’ity taona ity. Mahatratra 1200 à 1400 Ar isaky ny litatra ny elanelany miohatra amin’ny tena vidiny izao. Naha­tratra 95 miliara Ar ny fanampiana ara-bola nomena ny orinasa mpamatsy solika ny taona 2024.  Mahery vaika ny delestazy vokatry ny […]

Mazava ny resaka !

Hiasa ny fitondrana amin’ity taona 2025 ity! Mazava ny resaka nataon’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly. Mbola hisongadina ny asa sy vokatra araka ny andrasan’ny sarambabem-bahoaka azy. Ho fanamafisana ny kabary tamin’ny fa­ran’ny taona, nohitrikitrihan’ny filoha Rajoelina Andry ny fitsinjovana ny vahoaka tsy mandady harona. Hita amin’ny […]

Delestazy: ho vita mandritra ny taona 2025 ny vahaolana

« Mandoro vola isika », hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. No­hazavainy fa, satria lany hanampiana ara-bola ny orinasa Jirama ny volam-panjakana, tokony hampandrosoana ny vahoaka. Vahaolana haingana sady maharitra ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, mitotaly 100 MW fanampiny ho an’ny tambajotra RIA, ka […]

Afaka iray volana sy tapany raha ela indrindra: « Tsy maintsy ahena 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana »

« Tsy maintsy atao izay hampihena ny vidim-bary ao anatin’ny iray volana sy tapany raha ela indrindra, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly ». Ampidinana hatrany amin’ny 750Ar ny kapoaka ny vary hafarana ka hiara-hiasa amin’ireo mpanafatra ny fitondram-panjakana, araka ny torimarika napetraky ny […]