Namoaka ny vinan’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Nisongadina tamin’izany ny fampahafantarana fa heverina ny mety ho fiforonana andro ratsy any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny faran’ny herinandro no heverina hiforonan’izany. Arahin’ny Meteo Madagasikara hatrany ny fivoaran’ity faritr’andro ratsy […]
Mois : janvier 2025
SACUA: « Tokony homena fahefana feno ny PDS an’Antananarivo »
Feno 10 taona ny 9 janoary izao ny Sendika autonome eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SACUA). Ho fanamarihana izany, asiana famantaranora iray lehibe manoloana ny faritry ny Lapan’ny tanàna. Betsaka ny zavatra efa natao sy ireo sedra nolalovan’ny fikambanana tao anatin’izay fotoana izay. Efa voavaly avokoa ny 80%-n’ ireo fangatahan’ny […]
Toekarena manga: hanome tohana 100 000 euros ny Vondrona eoropeanina (UE)
Mitentina hatrany amin’ny 100 000 euros ny tohana omen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga. Fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra, araka ny fifanarahana amin’ny jono, andiany faharoa, hiarahana amin’ny UE. Hiompana amina sehatra dimy ny fandaniana amin’ity taona ity, izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny […]
Mampanahy ny hoavin’i Madagasikara
Mampikaikaika ny maro ny volana janoary toy izao. Vanim-potoana mampiiba ny toekarena sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Ao ireo manokana tetibola hanaovana fety, misy kosa ireo efa manomana sy nikajy sahady ny fitantanana mandritra ity volana ity. Na izany, sarotra ny fitantanana manoloana ny fisondrotry ny vidin’entana. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny […]
Fizahantany: handray anjara amin’ny “FITUR Madrid” isika
Tanterahina ny 22 ka hatramin’ny 26 janoary, eo amin’ny Parc des expositions IFEMA Madrid, ny hairanty iraisam-pirenena momba ny fizahantany (FITUR), andiany faha-45. Hetsika handraisana ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ka anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Ho hita mandritra […]




