Hapetraka eny amin’ny PK 0 (lalambe migodana) Tsarasaotra ny toby herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanana tanjaka 50 MW ity fotodrafitrasa ity, hanampy ny vokatra herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Ho vita mialoha ny aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity. Miisa 1 500 ny zana-kazo novolen’ny mpino katolika, diosezy Fianarantsoa, […]
Mois : janvier 2025
Fanamboaran-dalana : Hatao godirao ny mankany Ambatoboeny
Mandroso ny asa fanarenana ny lalana tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faha-33, miainga eo Andranofasika (RN4) mankany Ambatoboeny, hatreo amin’ny « radier », mirefy 20 km. Anisan’ny asa hatao ny fanamboaran-dalana sy ireo fotodrafitrasa toy ny fanarenana ny sisin-dalana sy ny tatatra ary ny lakandrano (dalot). Mihafara amin’ny fandrakofana godirao ny lalana […]
Sandam-bola : 181 Ar sisa ny elanelan’ ny euro sy ny dolara
Nidina kely tato anatin’ny iray volana, araka ny tatitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Misanda 4 873 Ar ny 1 euro ny 30 desambra 2024, raha 4 899 Ar ny 2 desambra. Efa tafakatra 4 925 Ar izany ny 10 desambra, saingy nidina indray taty aoriana. Etsy ankilany, niakatra tsikelikely ny lanjan’ny dolara, […]
Fampivoarana ny fambolena : Hampitomboina 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary
Anisan’ny tohanan’ny Fiaraha-miasa amerikanina ho an’ny fampandrosoana (USAID) ny sehatry ny famobolena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny famokaram-bary. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) miaraka amin’ny USAID. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary, hoentina manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Noraisin’ny minisitra Minae, Hajarison François Sergio, […]
Tselatra
Lehilahy iray naratra voatsindron’ny tavoahangy teny Anosy, ny faran’ny taona teo. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany izy ka raikitra ny ady rehefa mamomamo. Vokany, notsindromin’ireo namany tamina vakina tavoahangy izy ka naratra mafy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Lavon’ny balan’ny polisy teo Anosibe, ny […]




