Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, hanamboatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity tetikasa ity. Koa, vonona hamatsy vola ny fanatanterahana ny tapany faharoa ny Badea. Marihina, fa miainga eto Antananarivo hatrany Anjozorobe ny ampahany voalohany, efa ataon’ny orinasa egyptiana, Samcrete. Manomboka eo Anjozorobe hatrany Toamasina kosa ny ampahany faharoa.
Tetikasa hafa
Ankoatra izany, vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ireo tetikasa laharam-pahamehana ihany koa ny Badea. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana angovo azo avy amin’ny tohodrano sy ny herin’ ny masoandro. Tsiahivina, fa efa misy ny tetikasa iarahan’ny firenena malagasy sy ity vondrona ity, toy ny fanamboarana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena RN5, mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy i Vohibe. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry « Lalan’ ny masoandro » (Route du Soleil) ity tetikasa ity, miainga any Ambilobe, Vohemar, …, Soanierana Ivongo, Toamasina, …, Mananjary, hatrany Taolagnaro.
Njaka A.




