Mois : février 2025

TARATRY ny KANTO

Hetsika niavaka teny amin’ny Kianja Masoandro. Nandray ny seho haisorakanto, niarahana tamin’i Rima sy i Tsiahy Andrianina ny toerana, ny asabotsy teo. Fifandimbiasana antsan-tononkalo teo amin’ireo mpanoratra, izay nentina nanasongadina ny hakanton’ny teny malagasy no nitranga. Tafiditra rahateo anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny seho. Mitohy ny […]

T-Vibe : Nizara an-tsehatra ny “Ho doria”

Fiarahana nanjakan’ny tena mozika. Samy nentin’ny mozika lavitra mantsy, na ny tarika T-Vibe teny an-tsehatra, na ireo mpijery nameno ny efitranon’ny Ivokolo Analakely, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Fotoana nizaran-dry TahinaVibe sy ny tariny ny “Ho doria”, ilay rakikira vaovao an-tsehatra io. Nirona kokoa tamin’ny jazz, na dia karazan-gadona maroloko aza […]

“Tena matotra” : Mbola tompon’ny fampisehoana i Njakatiana!

Ora telo mahery, nanehoan’i Njakatiana indray fa voafehiny tanteraka ny sehatra. Ireo mpankafy rahateo no nandahatra ireo hira, izay saika niaraha-niredona hatramin’ny farany. “Tsaroanao ve ilay fiarahantsika?” Hoy ny fanontaniana napetrak’i Njakatiana, tao anatin’ilay hirany “Meteza hahatsiaro”. Misy antony tokoa matoa ity hira ity no nosafidiany nanokafana ny fampisehoana tetsy […]

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka hitsara ireo fifanolanana ara-pifidianana ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny fiandohan’ny volana marsa izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola mandray ny fitoriana izy ireo hatramin’izao. Maherin’ny 20 izao ireo fitarainana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamboarana izany ho an’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny […]