Hotanterahina rahampitso, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny Vondrona afrikanina (UA). Resy lahatra amin’ny firotsahan’ny kandidà, malagasy, Randriamandrato Richard ireo firenena afrikanina. Anisan’ny efa nanao fanambarana fanohanana sy resy lahatra amin’ny firotsahan-kofidin-dRandriamandrato Richard ireo firenena miisa 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc, amin’izao fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny UA […]
Mois : février 2025
TSELATRA
Nitombo isa ireo vehivavy polisy ao amin’ny Brigade féminine de proximité na BFP any Morondava. Hanampy ireo polisy efa an-daharana sy hanamafy ny fandaminana eo amin’ny fifamoivoizana, indrindra amin’ny lafiny fisorohana herisetra eo amin’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny fanararaotana ara-nofo izy ireo. Hitondra ainga sy hery vao ho […]
Herinaratra tapaka : Trano iray kila forehitra, olona iray naratra
Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao amin’ny fokontany Depot fahefatra, parisela 23/44, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Tonga ara-potoana namono ny afo ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina fa indroa tsy tafiditra tany amin’ilay toerana nitrangan’ny firehetana. Nitarika olana tamin’ny famonoana ny afo izany satria nanao tifi-davitra tamin’ny alalan’ny fantsona mitondra […]
Renim-pianakaviana novonoina : Nalevina sy hita teo an-tokotany ny fatiny
Hita nalevina teo an-tokotany iray, any Ambohitranjavidy, Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny vata-mangatsiakan’ny renim-pianakaviana, efa tsy hita nandritra ny fotoana ela, afakomaly. Razana efa potika sy efa simba tanteraka no hita nandritra ny famongarana azy tao. Raha ny fantatra, tsy hita popoka nanomboka ny volana marsa 2024 io ramatoa io. […]
Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray
Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany. Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay […]




