Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ka nahafaty ny zana-badiny vao 5 taona monja teny Ambohipo. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny, miampy famosirana izy io, taorian’ny didy nivoaka. Marihina fa miaramilan-tsambo ity lehilahy nanolana ity. Miasa alina ny renin’ilay zaza ka matetika izy sy ilay zaza irery foana no […]
Mois : février 2025
Fifindra-monina tsy ara-dalàna mankany Mayotte : Voasambotra ilay mpikarakara sy ny namany iray hafa
Nahazo vaovao avy amin’ ny olona tsara sitrapo ny Borigadin’ny zandarimaria Fascene, mahakasika ny fisian’ireo olona mampiahiahy tany Mangirakirana, Fokontany Mahazandry, kaominina Nosy Be. Mety hiondrana antsokotsoko sy hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte, ny 8 febroary 2025 tamin’ny 4 ora maraina teo, izy ireto. Tonga teny an-toerana voalaza avy […]
Vaky fasana: Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. […]
Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra
Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray. Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fianarantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo […]




