Naneho ny fanazavana mahakasika ny vaovao niely, afakomaly, mahakasika ny Kianja Barea, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina. Nambarany fa efa nisy ny ezaka saingy mbola misy hatrany ny fanatsarana tokony hatao.
Manoloana ny zava-misy sy ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera ankehitriny, nanao fanambarana tamin’ireo mpanao gazety ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, teny Mahamasina. Nilaza ny tenany fa afapo tanteraka tamin’ny ezaka nataon’ ireo fitondram-panjakana ny Kaonfederasiona Afrikanina Caf, araka ny tatitra nalefan’izy ireo na dia tsy mbola mahazo mandray lalao iraisam-pirenena aza ny Kianja Barea Mahamasina. Nilaza koa ny minisitra fa efa vita avokoa ny asa nampanaovina azy, toy ny fifampiresahana tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Caf miampy ny fandefasana ireo “Inspecteur Caf” aty Madagasikara. “Tsy ho kivy ny tenako fa hiezaka hatrany mandra-pahazoan’ny Kianja Barea, fankatoavana”, hoy ny mpitantana ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Nampahafatariny ihany fa efa nalefa ny 1 febroary lasa teo, io kianja Maroc io, ary tsy mbola misy ny lisitra ofisialy manambara izany. Notsiahiviny ihany fa miisa 23 ireo firenena mbola miandry fankatoavana eto Afrika.
Ilaina fanatsarana ny bozaka
Araka ny vaovao voaray omaly, teo Mahamasina, dia mbola mila hatsaraina hatrany ny bozaka eny an-kianja. Manoloana izany, hisy teknisianin’ny Caf handalo eto Madagasikara hampiofana sy hanampy ireo teknisianina eto Madagasikara amin’ny fikolokoloana ity kianja Barea Mahamasina ity. Andrasana amin’ity volana ity moa ny fahatongavan’izy ireo. Ankoatra izay, hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny Barea de Madagascar, izay hifanandrinany amin’i Centrafrique sy i Ghana. Milaza ny lehiben’ny MJS fa manohana hatrany ny Barea ny tenany, ary tanjona efa napetraka ny hanaovan’i Madagasikara “Mondial 2026.”
Fitia Randria




